voaroba ny 4 tapitrisa AR : Tsenam-barotra iray notafihan’ny jiolahy

Notafihan’ny andian-jiolahy miisa enina, ny tsenam-ba­rotra iray tetsy Ambato­lampy Antehiroka, ny harivan’ny alahady 2 aogositra 2026 tokony ho tamin’ny 6 ora hariva teo. Mbola teo am-pivarotana ny mpivarotra tao amin’ny tsena no tonga tampoka ireo jiolahy. Niditra tao an-tsena sy nanambana tamin’ny antsy, ny telo tamin’ireo jiolahy, raha ny fanazavan’ny mpivarotra tao amin’ny tsena. Niandry teo amin’ny varavarana sy teo an-tokotany kosa ny telo hafa izay nitondra basy, raha ny fanazavana voaray hatrany. “Na­sain’izy ireo nidina tamin’ny tany avokoa ny olona tao an-tsena vao tafiditra izy ireo sady nambanan’izy ireo ta­min’ny fitaovam-piadiana teny an-tanany”, hoy ihany ny fanazavan’ireo tompon’ny tsena voatafika. Lasan’izy ireo tamin’izany, ny vola manodidina ny 4,5 tapitrisa Ariary, ny fahana atao amin’ny finday maromaro izay mitentina 5 hetsy Ariary ary finday fampiasa amin’ny speed mitentina 200 000 Ariary. Lasa nitsoaka avy hatrany izy ireo taorian’ny asa ratsiny. Marihina fa vola lafon’ny mpivarotra ny alahady tontolo io voaroban’ny olon-dratsy io. Raim-pianakaviana sy ny zanany vavy iray no tao an-tsena tamin’ny fotoana nisehoan’ny fanafihana. Ma­nao fiten’ny olona avy any Atsi­mo avokoa ireo jiolahy nanafika ireo, raha ny fanazavana voaray hatrany. Antsa­sakadiny taorian’ny fanafihana kosa vao nampilaza ny vaovao tamin’ny polisy. Tonga teny an-toerana nisehoan’ny fanafihana, ora iray latsaka taorian’ny fanafihana, raha ny fanazavan’ny lasibatra ihany. Mian­draikitra ny fanadihadiana ny raharaha ny polisy avy amin’ny CSP 6 Ambohima­na­rina.

Mino

Partager sur: