Hiverina hisokatra ny Mozean’ny zavakanto sy ny arkeolojia eny Isoraka. Vaovao lehibe ho an’ny tontolon’ny zavakanto sy ny fampianarana izany noho izy eo ambany fiahian’ny oniversiten’ Antananarivo. Ankoatra ny maha tranombakoka sy toeram-pikarohana ho an’ny mpianatra azy, handray fampirantiana mandalo koa ny eny Isoraka. Hisantatra ny fisokafana ny «Doria Vita Sokitra». Mahakasika ny aloalo Mahafaly, ny hazon-dolo sakalava, ny teza betsileo, sns, ny hetsika. Ranty izay hanehoana ireo mariky ny fahafatesana sy ny tontolo any ankoatra, tarafina amin’ny sokitra. Tompon-kevitra i Domi Sanji, izay nanana andraikitra tamin’ny fanavaozana ny mozea.
Rehefa avy nandalo fanavaozana sy fanatsarana, hamerina hampiranty ireo vakoka azy manokana koa ny mozea. Vokatry ny fiaraha-miasa amin’ny mpikaroka sy manampahaizana amin’ny vakoka frantsay izany. Nitohy tamin’ny fizarana traikefa ho an’ny mpianatra miisa 19 avy amin’ ny oniversiten’Antananarivo sy enina avy any amin’ ny sekoly any Louvre. Heverina fa hanampy isa ny tranombakoka azon’ny mpizahatany tsidihana ny eny Isoraka, ankoatra ny maha toeram-pikarohana azy.
Zo ny Aina




