Hanomboka anio tolakandro, ireo seho sehatra rehetra hotanterahina mandritra ny Jazz@Tohatohabato taona 2026. Ireo ankizy sy tanora no hisantatra izany.
Manomboka anio ka hatramin’ny alahady 9 jolay izao. Maimaimpoana avokoa ny seho sehatra rehetra ao anatin’ny fandaharam-potoanan’ny Jazz@Tohatohabato ho an’ity taona 2026 ity. Omena vahana hatrany, rahateo, ny hetsika ankalamanjana mba hanatratrarana ny dingana sy ny tanjona fampahafantarana ny jazz sy ny fampitiavana izany ho an’ny Malagasy tsirairay.
Hisantatra ny seho ny «Jazz Kids», izay andraisan’ireo ankizy sy tanora anjara ho fanehona ny ezaka sy dingana vitan-dry zareo eo amin’ny filalaovana ny jazz. Fantatra fa hisy ny fotoana hiarahan’ireo ankizy sy tanora ireo sy ny mpikambana ao amin’ny Jazz Club CGM, eny an-tsehatra. Hanomboka amin’ny 2 ora tolakandro ka hatramin’ny 5 ora hariva, ao amin’ny Tranompokonolona Analakely no hanatontosana izany.
Jazz Club CGM taniketsan’ ny mozika jazz
Amin’ity taona 2026 ity, nomena sehatra kokoa ny Jazz Club CGM ka tsy hijanona ho mpikarakara irery intsony fa tena ho mpandray anjara feno. Taona 2009, nitsangana ny Jazz Club CGM. Anisan’ny antony nananganana azy ny ho tanikentsa hikoloana ny talentan’ny ankizy hahatratra ny tanjony. Iray amin’ireny ny fivelarana amina sehatra lehibe (eto an-toerana – any ivelany).
« Ohatran’ny kamo hizara ny olona taloha. Nisy fotoana nanana ny lanjany lehibe ny zavamahadomelina. Teo ihany koa ny fanaovana ankilabao ny tanora. Tsy mba nisy mihitsy ny hamoahany ny zavatra nianarany. Nieritreritra izy ireny fa mahay… Tsy afaka nivelatra ny talentany ». Anisan’ny antony nananganana ny Jazz Club CGM ihany koa ireo raha ny fanazavan’i Pépé nanorina ity sehatra na foibe ahafahana mampivelatra ny talenta sy ny fahaizana mozika sy fahaiza-miara-monina ity.
HaRy Razafindrakoto




