Novonoin’ny zaodahiny ny zazalahy 12 taona, tao Belobaka, Tsiroanomandidy, afakomaly. Notakian’ilay vinanto lahy 15 tapitrisa Ar ny rafozany. Nihady votry hatao sakafon’akoho ity lasibatra no tsy hita intsony. Nitady azy ny fianakaviany, nametraka fitarainana teny anivon’ny manam-pahefana. Naharay hafatra miafina tamin’ny alalan’ny finday anefa ny reniny, ny alin’io andro nahavery azy io. Nitaky lelavola 15 tapitrisa Ar ho solon’ny famotsorana ilay zazalahy ny olon-dratsy. Nitaky 1 tapitrisa Ar mialoha ny 25 jolay izy ireo. Aorian’izay, aloan’ny fianakaviana lasibatra ny vola ambiny. Namitaka ny mpanao ratsy fa mbola velon’aina soa aman-tsara ilay zazalahy.
Natahotra ny ain-janany hotaperin’ny olon-dratsy, nandefa lelavola mitentina 500 000 Ar ny fianakaviana. Niroso tamin’ny fanadihadiana lalina ny ekipan’ny zandarimaria notarihin’ny kaomandin’ny vondron-tobim-paritra Tsiroanomandidy. Naharay loharanom-baovao izy ireo fa ahina ho tompon’antoka ny zaodahiny ihany no nitazona ilay zazalahy, ny 2 aogositra. Natao fanadihadiana. Niaiky heloka ary nitoroka ny mpiray tsikombakomba taminy izy. Novonoina tamin’ny andro nahavery azy ihany ilay zaza. Nalevin’izy ireo avy eo. Olona enina no efa voasambotra.
Tsiferana R.




