Tonga teny Antanandava, faritra Port Sec II, any Toamasina ny minisitry ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro, Andrianavalona Herizo, ny 29 jolay teo. Nambarany fa, « tsy maintsy hirosoana ny fanesorana ny olona, izay marary antsika toy izao, raha tiana ny hampandroso ny firenena ».
Nohamafisin’ny minisitra Andrianavaloina Herizo, fa «mikendry ny hanasoa ny firenena ny fitondrana Fanavaozana». Nomarihiny fa inspekteran’ny Fadintseranana ny asany, nialoha naha minisitra azy, ka nahita tsara ny fidiram-bolan’ny fanjakana. Avy amin’ny hetra anatiny ny 60% ny vola miditra amin’ny fanjakana. Avy ao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina ny 75% ny haban-tseranana. Ankehitriny, mahatratra 280 000 isan-taona ny kaontenera mivoaka sy miditra ao, ka ho azo antoka ny hiakaran’izany ho 1 000 000 isan-taona amin’izao fanitarana ny seranan-tsambon’i Toamasina izao. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa ny fananganana toerana mirefy 20 ha, hanatobiana ny kaontenera sy ny kamiao ao amin’ny Port Sec III. Izany hoe, hiakatra avo efatra heny ny isan’ny kaontenera afaka raisina, ary ho avo efatra heny toy izany koa ny vola miditra amin’ny kitapombolam-panjakana.
Nohazavain’ny minisitra, fa hamorona asa ho an’ny vahoaka malagasy izany tetikasa fanitarana ny seranan-tsambo izany. Hitombo rahateo ny fidiram-bolan’ny tsirairay. Tsiahivina, fa ny Fiaraha-miasa japoney Jica no manohana ny fitondram-panjakana amin’ity fanitarana ny seranan-tsambon’i Toamasina ity.
Tsy azo amidy ny tany
Mahakasika ny fanesorana ireo mponina ao amin’ny Port Sec III, taratasim-bola 10 tapitrisa Ar no homena ireo manana trano hazo, ary 20 tapitrisa Ar ho an’ny tranovato. Miisa 63 ny isan’ireo trano ho an’ny andiany voalohany. Misy ny toerana hamindrana azy ireo, ka hiantohana ny fikarakarana ny taratasy famindrana ny tany, ka tararatsy titra sy vita tsato-bato borna no homena azy ireo. Nilaza ny tale jeneraly ny seranan-tsambo Toamasina (Spat), fa «hanome fiarabe hitaterana ny entana ny orinasa Spat. Atao sonia ny taratasy milaza ny fahazoanareo ny tany, saingy marihina, fa tsy azo amidy amin’ny olon-kafa».
Sajo sy Njaka A.




