Soavinimerina : Olona fito voasambotra

Voasambotry ny polisim-pirenena tamin’ny alahady ny olona fito mianadahy niray tsikombakomba tamin’ny fikasana hanatanteraka fanafihana sy vonoan’olona tao Soavinime­rina, distrikan’Avaradrano. Naneho fihetsika mampiahiahy tamin’ny olona lasibatra izy ireo. Naka sary sy nanara-maso hatrany ny fivezivezen’ilay saika horobaina. Nirahin’ny ramatoa iray voalaza ho atidoha tamin’ny fikonokononana vonoan’olona ireto manara-maso.
Napetraka ny vela-pandrika, nanara-dia ilay olona naneho fihetsika hafahafa ny mpitandro filaminana. Nitondra moto iray sy fiara iray ireo nikonokonona vono olona, araka ny fanazavan’ny polisy. Sarona avokoa izy rehetra. Voasa­mbo­tra ilay ramatoa nampaniraka. Nogiazana avokoa ny fitaovana nampiasain’ny olon-dratsy. Natolotra ny fampanoavana ny raharaha. Nitsotra ny olona voairaka fa nokaramaina hanao ilay fanaraha-maso.

Tsiferana R.

Partager sur: