TARATRY ny KANTO

Efa tonga eto Madagasikara i Shenseea. Efa ao Nosy Be ity mpanakanto fanta-daza maneran-tany ity nanomboka omaly. Hisantatra ny «Festival Sô­maroho», ka hanafana ny alim-pandihizana any Dja­mandzar izy anio alina. Hiaka-tsehatra ao Ambodi­voanio kosa ny sabotsy izao.

Manodidina ny «teza» indray ny lohahevitry ny «café histoire», hotontosaina ny sabotsy 8 aogositra izao, eny amin’ny Mozean’ny saripika eny Andohalo. Manamarika ny fanjakana Betsileo taloha ireto teza ireto, izay hovelabelarin’ny profesora Narivelo Rajaonarimanana.

Any Taolagnaro ny minisitry ny Kolontsaina sy ny serasera, Mandrindrarivony Ogascar Fenosoa. Nanatrika ny dinik’asa momba ny fitantanana ny ha­rembako-pirenena Pic Saint Louis izy sy ireo mpiara-miasa aminy. Efa avy nitsirika ireo toerana voakasiky ny tetikasa ihany koa izy ireo.

Partager sur: