Manomboka ny asa fanamboaran-dalana, hatao «béton» ny eo amin’ny fiantsonan’ny fiara mpitatitra any Sanfil Toliara. Ao amin’ny lalam-pirenena RN7 ity lalana ity, ka ny ampahan-dalana PK925 hatreo amin’ny PK925+800, izany hoe, mirefy 800 metatra no harenina. Manatanteraka ny asa ny orinasa Samsia Services, tafiditra ao anatin’ny ezaky ny fitondam-panjakana hanatsara ny kalitaon’ny lalam-pirenena, sady hampaharitra ny lalana ary hanamorana ny fivezivezen’ny mponina sy ny fitaterana entana.
Tanjona ny hanome fotodrafitrasa maharitra, mba hampiroboroboana ny fampandrosoana ara-toekarena sy ara-tsosialy, indrindra any amin’ny faritra Atsimo Andrefana. Tsiahivina, fa efa mandeha ihany koa ny fanatsarana ny lalam-pirenena RN9, miainga eo Toliara hatrany Manja. Asa goavana hatao, ankehitriny ny fanamboarana tetezana eo Bevoay, amin’ny reniranon’i Mangoky. Famatsiam-bola avy amin’ny Banky arabo ho an’ny fampandrosoana sy ny Tahirimbola Koesiana. Ho lava indrindra eto Madagasikara, maherin’ny 800 metatra ity fotodrafitrasa goavana ity rehefa vita, aorian’ny tetezan’i Sofia any Atsohihy.
Njaka A.




