Ady amin’ny VIH/Sida: Nohamafisina ny fahaiza-manaon’ny solombavambahoaka

Ilaina ny haitaky amin’ny fandresen-dahatra hampiakarana ny tetibola ho an’ny SDSR. Ireo solombavambahoaka no hanao ny adisisika hampitomboana izany tetibola izany ka nizarana paikady.

Natao ny herinandro teo ny atrikasa fanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo solombavambahoaka momba ny ady amin’ny VIH/Sida. Teo koa ny haitaky ho fampitomboana ny tetibola natokana ho an’ny fahasalamana sy ny zo ara-pananahana (SDSR) ao anatin’ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana (LFI).
Tanjona ny fanamafisana ny ady amin’ny VIH/Sida sy ny fampitomboana ny famatsiam-bola ho an’ny fahasalamana sy ny zo ara-pananahana (SDSR).
Nisongadina nandritra ny atrikasa ny fanamafisana ny fandraisan’anjaran’ny parlemanta amin’ny haitaky ho fampitomboana ny famatsiam-bola anatiny ho an’ny fahasalamana sy ny ady amin’ny VIH/Sida. Andaniny, ny fanamafisana ny fiaraha-miasa amin’ireo mpiara-miombon’antoka ary ny famolavolana drafitra haitaky hanohanana ny fanapahan-kevitra momba ny tetibolam-panjakana.
Tafiditra ao anatin’izany ihany koa ny fanamafisana ny andraikitry ny solombavambahoaka amin’ny fanaraha-maso ny fampiasana ny tetibolam-panjakana sy ny fanohanana ny famatsiam-bola maharitra ho an’ny VIH/Sida sy ny SDSR, mba hiantohana ny fitohizan’ny tolotra ara-pahasalamana sy ny fiarovana ny zon’ny vahoaka.
Ny fampiasam-bola amin’ ny fahasalamana ankehitriny no antoky ny vahoaka salama sy ny fampandrosoana maharitra.
Loza mitatao
Tena misy ary misoko mangina eny amin’ny fiarahamonina ny aretina VIH/Sida. Loza mitatao izany rehefa tsy voafehy. Maro ny ezaka fanentanana indrindra ny fandresen-dahatra hanao fitiliana mila atao. Mitaky asa sy finiavana indrindra mila vola ny fanatanterahana izany.
Fiarovan-tena sy fisorohana amin’ny fahazoana ny aretina amin’ny fomba tsotra sy mora raisina ary takatry ny olon-drehetra no tena takina sy raisin’ny fiarahamonina indrindra ireo tanora ao anatin’ny firehetana amin’ny filana ara-nofo.

Tatiana A

Partager sur: