Tontosa, omaly, ilay “carnaval” mampiavaka an’i Nosy Be. Mariky ny fanombohan’ny “Festival Sômaroho!” izy io, izay tena hataon’ireo mpandray anjara amin’ny fony tanteraka hatramin’izay. Angamba ny “carnaval” ao Nosy Be no maresaka sy hahitana karazan-tseho an-dalambe maro indrindra, ary mbola nitombo izany, omaly. Misy fifaninanana rahateo eo amin’ireo tropy mandray anjara, ka samy miezaka mitady izay hampiavaka azy isana-taona ny rehetra.
“Vitako ny adidiko, anareo ny ambiny”, hoy kosa ny nambaran’i Wawa, mahakasika ny fahatongavan’ilay mpanakanto vahiny Shenseea, any Nosy Be. Niteraka resabe omaly ihany koa izany, satria fanamby goavana ny nanafaran’i Wawa azy ity. Avy hatrany dia niaraka nanafana ny alim-pandihizana, izay natao alina, tao amin’ny Villa Sômaroho, Djamandjar izy ireo. Hanomboka anio kosa ny andiam-pampisehoana ao Ambodivoanio. Hifandimby an-tsehatra ry Jior-Shy, Kesy Babalahy, Yes Gah, Hanrena, Jam Jued, Rijade ary Maman’i Tsololo.
Zo ny Aina




