Miditra amin’ny andiany faha-27 ity Fier Mada nisokatra omaly etsy amin’ny kianja Makis Andohatapenaka ary haharitra dimy andro. Mpampiranty, mpivarotra, tantsaha no mameno ireo tranoheva miisa 350 mahery hita eny an-toerana. Misongadina amin’ny ankapobeny ny fihariana eny ambanivohitra, izany hoe, ny asa tanana, vokatry ny fambolena sy ny fiompiana.
Nambaran’ny filoha mpanorina ny Fier Mada, Ramanantsoa Jacques, fa « mipetraka ho olan’ny fihariana eny ambanivohitra ny tsy fahampian’ny lalana hamoahana sy hivezivezen’ny vokatra». Lalan-tany mafy sy mateza nefa, hoy izy, dia ampy hamaha ny olana. Izay indrindra no anton’ny lohahevitra nosafidiana tamin’ity taona ity hoe « Lalan-tany mateza tsara atao hampifandray ny tantsaha amin’ny kaomina ».
Manamafy ny minisiteran’ny Fambolena sy ny Fahaleovantena ara-tsakafo ao anatin’izany fa « manohana ireo tantsaha amin’ny alalàn’ny fanatsarana ny fotodrafitrasa fanondrahana, ny fanokafana sy fanarenana ireo lalam-pamokarana, ny fanamorana ny fahazoana masomboly voafantina sy zezika, ny fampiroboroboana ny fampitaovana ara-pamokarana ary ny fampidirana ireo haitao sy fanavaozana mifanaraka amin’ny zava-misy eny ifotony ».
Henintsoa




