Nampiakatra ho 12,5% ny tahan-janabola fototra (taux directeur) ny eo anivon’ny Banky Foiben’i Madagasikara (BFM), raha toa ka 12 % izany ny telovolana faharoa teo. Fanapahan-kevitra noraisiny taorian’ny fivoriana nataon’ny Komity misahana ny politika ara-bola, ny talata 4 aogositra teo.
Nanomboka ny fiandohan’ny taona 2026, nihamafy ny tahan’ny fiakaran’ny vidim-piainana rehefa nihanalefaka nandritra ny volana maromaro. Raha toa ka 6,8 % ny marsa 2026 dia nahatratra 8,6 % ny volana jona 2026. « Ny fiakaran’ny vidin’entana amin’ny tolotra hafa, ankoatra ny vary sy ny angovo no tena nitarika ny fiakarana », araka ny fanazavana nentin’ny BFM omaly nandritra ny famelabelarana ny momba ny politika ara-bola tetsy amin’ny Hotel Carlton. Etsy ankilany, manakorontana ny rojom-pamatsiana sy manampy tosika amin’ny fiakaran’ny vidim-piainana amin’ ny firenena maro ny fienjanana ara-jeopolitika iraisam-pirenena izay miantraika maneran-tany. Resy lahatra ny Komitin’ny politika ara-bola fa nanampy tamin’ny fanalefahana ny fisondrotan’ny vidim-piainana manoloana ny fanapahan-kevitra efa hita soritra teo aloha ny fitazomana ny taux directeur amin’ny taha 12 %. Tanjona ny hifehezana ny fiakaran’ny vidim-piainana sy ny hampidinana tsikelikely ny tahan’ny fiakaran’ny vidim-piainana ho 5%, amin’ny antonony. Etsy ankilany, notazonin’ny BFM ho 3 % ny vinavinan’ny fitomboan’ny harinkarena faobe ho an’ny taona 2026, na dia mbola marefo aza ny tontolon’ny fandraharahana eto an-toerana.
Sehatra iraisam-pirenena
Nilaza ny BFM fa misy fiantraikany amin’ny fiakaran’ny vidim-piainana ny disadisa any Moyen-Orient, izay manakorontana ny famatsiana sy mampiakatra ny vidin’entana toy ny akora fototra (matières premières) na koa ny saran’ny fitaterana an-dranomasina. Fantatra ihany koa fa nampiakatra ny taux directeur ireo banky foibe maro hafa maneran-tany mba ifehezana kokoa ny fisondrotry ny vidim-piainana.
Henintsoa




