INDRAY MIJERY

Misy ny fampitaovana ny hopitaly Androva Mahajanga ho fanatsarana ny tolotra fandidiana toy ny “Endoscopie bronchique” sy “O.R.L”. Ahafahana manao fitiliana sy fitsaboana tsy mila fandidiana intsony arakaraka ny aretina ireo fitaovana natolotra. Mijery “vidéo” amin’ny alalan’ny “écran”, satria misy “caméra” ilay fitaovana miditra any anaty vatana.

Araka ny fangatahan’ireo mpampiasa ny rindram-baiko, nohalavaina hatramin’ny 17 aogositra amin’ny 12 ora atoandro ny fe-potoana famenoana ireo antontan-taratasy ao amin’ny rindram-baiko fangatahana na fanavaozana fahazoan-dalana “Habilitation” sy fankatoavana “Accréditation”.

Noentanina momba ny ady amin’ny VIH/Sida ireo mpitandro filamanana. Izy ireo izay manakaiky sy hita eny amin’ny fiarahamonina. Nampahafantarina ny zava-misy ankehitriny momba ny IST VIH/Sida sy Mpox eto Madagasikara. Ny fomba hahazoana ny IST VIH/Sida sy Mpox na ny fomba fifindrany. Ny fomba fisorohana ny fifindrany…

Partager sur: