Atao ny 5 hatramin’ny 7 aogositra izao eto Antananarivo, Madagasikara, ny fivoriana ara-teknika, eo amin’ny Firaisambem-paritry ny fiarovana an-dranomasina (ARSM) sy ny Vaomieran’ny Fadintseranana aty amin’ny ranomasimbe Indiana. Ifantohana ny hampivondronana ny angom-baovao mahakasika ny asan’ny Faditseranana amin’ny fitaterana an-dranomasina aty amin’ny ranomasimbe Indiana izay miandraikitra ny fidirana sy ny fiavoahana ny sisin-tany, andaniny, ary ny fanaraha-maso ny fivezivezena eny an-dranomasina iandraiketan’ny ARSM, ankilany. Mikarakara azy ny Vaomieran’ny ranomasimbe Indiana (COI). Mandray anjara amin’ny fivoriana ireo firenena mpikambana ao amin’ny COI, miaraka amin’ireo mpiara-miombon’antoka, ny Vondrona Eoropeana, ny ONUDC ary ny Traffic. Tanjona ny hanamafisana ny fiaraha-miasa iadiana amin’ny trafika an-tsokosoko an-dranomasina, sady handrindrana ny asan’ny Ladoany sy ny ARSM.
Nilaza ny tale jeneraly ny Fadintseranana Malagasy (DGD), Randrianjafy Antoine, fa zava-dehibe tokoa ity fivoriana ity, hiadiana amin’ny asan-jiolahy sy ny tranga tsy ara-dalàna aty amin’ny ranomasimbe Indiana. Toy ny trafika zava-mahadomelina, ny jono tsy ara-dalàna, ny trafika olombelona, sns. Mifanome tanana ny Ladoany sy ny ARSM, mifanome vaovao, manoloana ny zava-misy rehetra.
Nanamafy ny Sekeretera jeneraly ny COI, Ibrahim Norbert Richard, fa tena ilaina ny hanamafisana ny fiaraha-miasa toy izao, satria mifameno. Nomarihiny manokana ny fa efa nahatratra 7 taonina ny zavamahadomelina tratra tamin’ity taona 2026 ity.
Njaka A.




