« Grand hommage « Om-Gui ». Fampisehoana hotanterahin’ny tarika Ny Ainga, ao Antsahamanitra ny alahady 16 aogositra izao. Hanotrona eny an-toerana i Zooky Doda sy Tantely Ny Feo, izay samy efa tao anatin’ity tarika manana ny mampiavaka azy ity. « Tsiaro 10 taona an’i Om-Gui ». Ireo hira rehetra namantarana ny tarika no ezahina haverina amin’io fotoana io. Fanamiana miloko fotsy no iombonan’ny rehetra mandritra ity seho goavana ity.
Vonona ny « Zafy manahaka an-dRakotoarisoa Ar-Well ». Sabotsy 8 aogositra izao, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany tolakandro, ao amin’ny efitrano malalaky ny trano fiantohana Aro etsy Antsahavola. Atolotr’ireo zana-jafiny Andrianirina sy Lucas Rakotoarisoa, mpitendry sy mpikaroka ary mpampianatra mozika avy any Londres sy Paris. Fampisehoana hotronin’i Mbosa sy Nampoina Rabenasolo.
Atrikasa ho an’ny mpitendry valiha. Ny 15 aogositra izao, hanatanteraka fifanakalozana momba ny zavamaneno valiha ireo mpampianatra sy mpikaroka maro eto an-dRenivohitra sy ny manodidina. Aorian’ity dinika ity, horaiketina ao anaty boky iray ny vokatry ny fihaonana. Azo antoka fa hisy ny lesona iraisana hatolotry ny foibe tsirairay ho an’ny mpianatra ao aminy. Fantatra, rahateo, fa anisan’ny antony hanatanterahina ity atrikasa ity ny hampitovy ny fahalalana ananan’ireo mpampianatra momba io zavamaneno io.




