VAOVAO TAMBATRA

Sokatra miisa 45 no tratra tany Beloha Androy, ny 4 aogositra teo. Olona iray no tratra tany amin’ny fokontany Agnanademby, kaominina Trano­havo, distrikan’i Beloha, faritra Androy. Olona iray no tratra tamin’ity tranga ity, ary hatao fanadihadiana lalina ao amin’ny Borigadin’ny zandarimaria Beloha. Manamafy ny minisitera sy ny fitondram-panjakana, fa tsy andeferana mihitsy ny fitrandahana harena voajanahary arovana eto amintsika, toy ny sokatra ary ho mafy sady henjana ny sazy.

Mandroso tsikelikely ny fanatsarana ny lalam-pirenena RN5. Mandeha ny asa fanamboarana ny lalana eo Soanierana Ivongo hatrany Vahibe. Asa goavana tokoa ity atao ity, izay tanterahin’ny orinasa Sinohydro. Fotodrafitrasa lehibe atao ny fanamboarana ny tetezan’i Vahibe. Maro ny asa atao amin’izany, toy ny famenoana vato sy ny sosona fototra manodidina ny lalana manodidina mialoha hidirana amin’ny tetezana.

Misanda 74,94 dolara ny vidin’ny iray barila (1barila=159 litatra), omaly, eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Nidina io vidiny io raha oharina miohatra amin’­ny fiverenan’ny ady eo amin’Etazonia sy Iran. Antony, efa nahatratra 92 dolara ny vidin’ny 1 barila tamin’ny 23 jolay teo. Tsy misy fanantenana ny hifaranan’ity ady ity anefa hatreto. Eto Madagasikara, noferana tsy miova ny vidin-tsolika, nanomboka ny volana mey teo.

Partager sur: