Andry lehibe ho an’ny fametrahana fampiatiana ny fanomezana lanja sy tohana ny fianakavian’ireo olona manana fahasembanana.
Nampahafantarina omaly ny fandaharanasa ho fanohanana hitondra fiatiana eo anivon’ny tokantrano tsirairay manana olona hafakely. Zava-dehibe ny fitovian’ny zo ho an’ny olom-pirenena rehetra ka ilaina ny fanamafisana ny fototra irosoana amin’izany, hoy ny Mouvement pour la différence, nitondra ny anarana autisme Madagascar teo aloha, manana traikefa 11 taona tao anatin’ny ady ho fanajana ny fahasamihafana (olona manana fahasembanana samihafa). Tsy mijanona fotsiny ho an’ny olona manana fahasembanana ny asa fa mahafaoka koa ny fianakaviana sy ireo miara-monina aminy isan’andro. Miasa mangina izy ireo ary matetika misedra fanilikilihana eny anivon’ny fiarahamonina nefa andry lehibe ho an’ny fampiatiana.
Manomboka eto, atao laharam-pahamehana ny fianakaviana ary nametraka tontolo ahatsapan’ny tsirairay tohana sy fanajana ny hetsika. Tanjona ny hahatsapany fa tsy irery izy ireo manoloana ny fahasamihafana.
Faritra folo manerana ny Nosy no hametrahana ny fandaharanasa ka atao manatona ny fianakaviana ny tolotra. Hanangana sehatra ahazoan’ny fianakaviana mifanakalo hevitra sy miala sasatra. Manaraka izany, ny fanomezana tohana fiarovana ireo zo fototra ary iadiana amin’ny endrika fanilikilihana samihafa. Farany, ny fanapariahana fitaovana hanabeazana ny olom-pirenena rehetra hanaiky ny fahasamihafana (varira, autiste, olona manana toe-tena fohy…)
Tambazotra manana mpikambana 800 ny Mouvement pour la différence ary mandray ho andraikitra ny fanentanana ny daholobe hanaiky sy hanaja ny fahasamihafana. Antso ho an’ny rehetra ny fandaharanasa hiaiky fa manana anjara toerana ny olom-pirenena tsirairay.
Vonjy




