Namoaka fampahatsiahivana ny Omda. Nanohy ny fangatahany kosa ireo mpisehatra amin’ny tontolon’ny tantara fihaino. Tsy tokony halefa fahatany ana habaka ireo tantara malagasy.
Raha misy ny seha-javakanto nandalo vanim-potoana, miroborobo sy be mpankafy hatrany, angamba ny tantara fihaino. Toy ny sehatra rehetra anefa, tsy afa-miala amin’ny fivoaran’ny teknolojia ihany koa izany. Vokatr’ izay firoborobony izay, niparitaka amin’ireo “plateforme” maro ireo tantara fihaino, indrindra anatin’ny “YouTube”. Efa nandefa fitarainana momba izany ireo mpanatontosa, mpanoratra ary ny mpisehatra rehetra.
Namoaka naoty fampahatsiahivana mahakasika ny lalàna mifehy izany ny Ofisim-pirenena misahana ny zon’ny mpamorona, omaly. “Araka ny fehezan-dalàna malagasy misahana ny zon’ny mpamorona, fantatra fa ny sanganasa rehetra noforonin’ny saina dia arovan’ny lalàna manomboka ny andro namoronana azy. Manoloana izany, ny fandraiketana feo sy ireo endrika fakan-tahaka ary fampielezana ampahibemaso dia tsy maintsy ahazoana alalana mialoha sy an-tsoratra amin’ny mpamorona, na amin’izay mpandray ny zony”, hoy ny votoatin’ny fanambarana. Araka izany, angatahina ireo izay voakasik’izany mba hanala tanteraka ny votoaty rehetra tsy nahazoana alalana.
Nahafaly ireo mpisehatra amin’ny tantara fihaino an’onjampeo ity fampahatsiahivana ity. Maro ireo nilaza fa hanaraka fitoriana ihany koa, ho fanamafisana izany. “Mampanantena izahay fa hanolotra vahaolana ara-dalàna tsy ho ela. Tsy hataonay tsinontsinona akory ianareo nankafy tamin’ny alalan’ny internet”, hoy kosa ny Tapaporohana Production. Ireo malagasy milaravinahitra any ivelany mantsy no tena mpanaraka tantara ana habaka.
Zo ny Aina




