Ady amin’ny famarinana olombelona: Niakatra sokajy faharoa i Madagasikara, mitohy ny ezaka

Efa mivoatra amin’ny tsara hatrany ny ezaka ataon’i Madagasikara amin’ny ady amin’ny famarinana olombelona. Miara-dia amin’i Madagasikara ny amerikanina amin’ity ady ity.

Nisondrotra tamin’ny sokajy 2 amin’ny maridrefy iraisam-pirenena momba ny ady amin’ny famarinana olombelona i Madaga­sikara, araka ny tatitra navoakan’ny departemantam-panjakana amerikana tamin’ny taona 2025. Marihina fa nijanona nandritra ny telo taona nisesy tao amin’ny lisitra fanaraha-maso i Madagasikara ka izao tafakatra izao.
Nisongadina izany nandritra ny fikaonandohan’ireo mpisehatra isan-tsokajiny amin’ny ady amin’ny famarinana olombelona nataon’ny sampandraharaha misahana ny raharaha politika sy toekarena, misahana ny filaminana ao amin’ny masoivoho amerikana, tamin’ity herinandro ity. Loha­hevitra maneran-tany amin’ity taona ity hoe: “Voafandriky ny fisolokiana ana habaka”, izay manasongadina ny tsindry miaro herisetra sy famatorana amin’ny trosa iainan’ireo lasibatra maneran-tany amin’ny hosoka ana habaka. Mety hitera-doza ho an’ireo olom-pirenena amerikanina sy Malagasy izany.
Nahitana mpitandro filaminana, masoivoho vahiny, tompon’andraikim-panjakana, sampan-draharaha iraisam-pirenena, ary fikambanan’ny fiarahamonim-pirenena ny fihaonana.
Tanjona ny hanamafisana ny paikady iombonana hiadiana amin’ny famarinana olombelona amin’ny alalan’ny fisolokiana ana habaka.
Nohamafisin’ny mpiandraiki-draharaha mpisolo toerana Melanie Higgins fa zava-dehibe ny fiaraha-miasa eo amin’ ny firenena roa tonta. Maha­velom-bolo ny fandraisan’anjaran’i Madagasikara hatrany amin’ireo ezaka iombonana hiadiana amin’ny heloka bevava ana habaka iraisam-pirenena sy ny ambana amin’ny trangana famarinana olombelona.
Niara-nandinika ireo karazana trangana famarinana olombelona efa nisy izy ireo ary nifampizara hevitra mom­ba ny fomba hiadina amin­’­ izany.

Tatiana A

Partager sur: