Enina matin’ny kitrotro : Hohamafisina ny fanaovam-bakisiny

Voaporofon’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka fa aretina kitrotro no nahafaty ireo zaza 6 tao Antsirabe II, tamin’ity herinandro ity. Noraisina avy hatrany ny fepetra ka notsaboina ireo mbola marary. Natao ny fikarohana ireo tranga sy olona nifandray tamin’ny marary,
Noentanina ny mponina hanatona avy hatrany ny tobim-pahasalamana vantany vao marary. Nohamarinina ny sata ara-panaovana vaksiny.
Hisy ny hetsika fanaovam-baksiny hiadiana amin’ny lefakozatra na poliomielita andiany voalohany amin’ity taona ity izay hotanterahina ny 11 hatramin’ny 14 aogositra izao. Voakasik’izany ny any amin’ny faritra Androy, Anosy, Atsimo-Andrefana, Atsimo-Atsinanana ary Ihorombe. 25 ireo distrika misy CSB 601 sy fokontany 6800 mahery. Mahatratra 2028 kosa ireo ekipa hifarimbona amin’ny fanatanterahaa izany fanaovam-baksiny izany.
Ireo zaza vao teraka hatramin’ny 2 taona miisa 1 173 000 mahery no kendrena ho vita vaksiny. Na zaza iray aza no tsy vita vaksiny dia loza mitatao ho an’ny firenena, hoy ny sampan-draharaha misahana ny fanaovam-baksiny.

Tatiana A

Partager sur: