Niakatra fampanoavana afakomaly, notanana vonjimaika any am-ponja ny vehivavy mpangarom-paosy miisa enina tratra tao Analavory. Nanararaotra andron’ny tsena, ny roa vavy ka nanao ny asa ratsiny. Nanao fanamiana sivily, nanara-maso teny amin’ ny manodidina ny tsena ny mpitandro filaminana ka nahatsikaritra ny fihetsik’ireo olon-dratsy miisa roa ireo. Tsy afa-nandà satria tratra teo am-pangaronana paosy, nentina natao famotorana izy roa vavy. Niaiky heloka izy mirahavavy ary efa fanaony ity asa ratsy nahatrarana azy ireo ity. Nitoroka ny mpiara-miasa aminy izy ireo ka olona efatra hafa nanaovana vela-pandrika. Sarona avokoa, araka izany, izy enina mirahavavy. Mampiasa ody ratsy avy amin’ ny mpomasy izy ireo mba tsy ahafahan’ny olon-tsotra mamantatra azy mandritra ny asa ratsiny. Nogiazana avokoa ny ody nampiasan’ireo vehivavy mpangarom-paosy ireo. Natolotra ny fampanoavana ny raharaha ary niafara amin’ny fihazonana vonjimaika any am-ponja.
Tsiferana R.




