Jazz@Tohatohabato : Andrasana fatratra ny « Grande scène » rahampitso

Nizotra an-tsakany sy an-davany ny fandaharam-potoana. « Jazz Kids » narahin’ny « Jazz VIP ». Nodimbiasan’ny « Jazz Quartier ». Seho roa lehibe no andrasana anio sy rahampitso.

Anio, manomboka amin’ ny 3 ora tolakandro, eo amin’ny tohatohabaton’ Antaninarenina. «Jazz Street» na ilay sehatra malalaka hanana endrika fifanakalozana ho an’ny efa manana traikefa sy ho an’ireo maniry ny hirotsaka amin’ny filalaovana ny jazz. Ny «Jazz Street» ao anatin’ny hetsika «Jazz@ Tohatohabato» no anisan’ny mahasarika tanora maro be. Hipotran’ny talenta niafina, sns. Amin’io fotoana io, matetika, no ipetrahan’ny fifankahalalana sy fifankahazoana am-po bebe kokoa eo amin’ny samy mpitendry na mpihira jazz.
Anisan’ny andrasana fa­tratra ihany koa ny «Grande Scène», rahampitso. Seho sehatra anisan’ny lehibe in­drindra aty amin’ny Rano­masimbe Indianina, raha eo amin’ny tontolon’ny jazz. Mi­petraka manaraka ny toha­tohabaton’Antaninarenina ny mpijery, raha eo anoloany kosa ilay sehatra lehibe.

Hanomboka amin’ny 1 ora tolakandro katroka ny seho. Amin’ny ankapobeny, ireo tarika na mpanakanto ao anatin’ny Jazz Club CGM na ireo nitsimoka tao amin’ity sehatra fanabeazana sy fikoloana talenta ity no haneho ny dingana vitany. Na izany aza, misy ireo mpanakanto hafa manana ny maha izy azy.
«Grande Scène» ao ana­tin’ny Jazz@Tohatohabato taona 2026, ahitana ny fandraisan’anjaran’ny : Tarika Raozy Gasy, Jazz Kids, aponga Drumline, Jazz Club CGM, Vahandanitra, Soahary, O’Leity, Nantis, Ny Ray Fa­naiky, Trifinity Soul, The Revery, 4/4, Joro J Project, 18,3, Mahefa Ramiandrisoa Quartet, Gaelle Tsirininofy, Vazo Lee, Big Band Kely, Tsanta Randri, Veto, Faniah, Mad’in Voyage.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: