Kongresy tao Ambatondrazaka : Mitaky ny fahadiovan’ny fitantanana ny HVM

Nifarana omaly ny kongresim-paritry ny antoko HVM, natao tany Ambatondrazaka. Anisan’ny nitondrana hevitra tamin’izany ny momba ny fiainam-pirenena. Nanao fitakiana maromaro ny ekipan-dRajaonarimampianina Hery.

«Mitaky ny fahadi­von’­ny fitondrana izahay. Takinay koa ny fametrahana ny fanjakana tan-dalàna, ny fahadiovan’ny fifidianana, ny fahadiovan’ny fitantanana raharaham-pirenena », hoy ny filoha nasionaly, Rakotovao Rivo, tamin’ny famaranana izany kongresy izany. Tafiditra ao anatin’izany koa ny hanajana ny fisarahan’ny fahefana sy ny fanajana ny lalàna velona, indrindra ny Lalàmpano­renana. Nohitsin’ny HVM fa tsy vitan’ny fitondrana teo aloha sy tsy nataony izany ka anton’ny tolona natao sy hanohanan’izy ireo izao fanavaozana izao. Tsy tonga lafatra akory izao fitondrana izao ary anaty fotoana sarotra ka antony hanoloran’izy ireo hevitra.
Anisan’ny niadiana hevitra tamin’ity kongresy ity ny momba ny rafitra itondrana ny firenena. Mazava ny an’ny HVM fa hofidiana ny Lalàm­panorenana ary tsy tokana izany. « Hita eo ny fironan’ny hevitry ny maro sy ny mahasoa ny vahoaka. Aoka tsy hoterena sahady fa tsy maintsy rafitra federaly na rafitra fanjakana tokana. Fanelinge­lenana ny demokrasia ny faneriterena tahaka izany », hoy ihany izy ireo.
Fanajana fotoana

Etsy andaniny, notsiahivin’ny antoko fa nanahirana ny momba ny Ceni. Anisan’ny tolo-kevitr’izy ireo ny tokony hampahaleo tena izany. Miankina amin’ny fikaonandoha no hamaritana ny mahakasika io rafi-pifidianana io. Nanterin’ny HVM fa tsy maintsy hatsaraina ny fifidianana ary havaozina ny fomba fanaovana politika. « Manam­a­loka amin’ny fomba fanaovana politika raha ny ratsy teo aloha no mbola haverina amin’izao fotoana izao », hoy izy ireo.
Nambaran’ny antoko fa tokony hojerena ny fifidianana depiote na senatera noho ny fanjakan’ny vola, ny tsimatimanota, ny tsy fanomezana toerana ny vehivavy sy ny tanora…
Etsy andaniny, notakian’ny mpikambana ny hanaovana ny fifidianana anaty fanajana ny fe-potoana hanatanterahana izany.

Synèse R.

Partager sur: