Sambava : Nokorontanin’ilay vehivavy ny fasana

Indroa saron’ny fokonolona nanakorontana ny lamba namonosana ireo razana milevina tao anatin’ny fasana, tao Ambahavala, kaominina Sambava, ny vehivavy iray. Nosa­voritahiny avokoa ny razana rehetra tao anatin’ny fasana maromaro ao an-toerana. Niparitaka nanerana ny tokotanim-pasana ireo lamba sasany namonosan’ny fianakaviany ireo olona efa namoy ny ainy milevina amin’io toerana io. Vehi­vavy iray no voalaza ho tompon’antoka tamin’io fanakoron­tana io, hatreto. Fanindroany nanao io tranga io izy, araka ny loharanom-baovao. Vao ny 22 jolay lasa teo, efa tratra nanao izany izy. Tsy toeran-kafa, toerana iray ihany no nanaovany ireo tranga roa tamin’ny fotoana samihafa ireo. Misedra tsy fahasalamana ara-tsaina izy, raha ny tatitra.

Tsiferana R.

Partager sur: