Nihanatanjaka ny Ariary (Ar) nandritra ny enim-bolana voalohan’ny taona 2026. Niakatra ny sandan’ny vola malagasy manoloana ny dolara sy ny euro raha oharina ny tamin’ny faran’ny taona 2025, raha ny tatitry ny Banky Foiben’i Madagasikara (BFM).
Ny 30 jona 2026, nisanda 4 256,4 Ar ny dolara raha 4 579,8 Ar izany tamin’ny fiandohan’ny taona. Nidina 4 810,95 Ar kosa ny euro raha toa ka 5 309,31 Ar, enim-bolana talohan’izay. Midika izany fa nihanatanjaka ny vola malagasy nandritra ny tapan’ny voalohan’ny taona. “Nitombo ny vola niditra tamin’ny fanondranan’entana sy ny famatsiam-bola ho an’ny tetikasa, ka nahatonga ny volantsika nihanatanjaka”, raha ny fanazavan’ny BFM. Notsindriany fa “voafehy ihany koa ny habetsaky ny entana nafarana ka nanamafy ny sandan’ny ariary”. Ankilany, nihena tsikelikely ny fironana nanomboka ny telo volana faharoa. Nitombo ny fanafarana nataon’i Madagasikara, indrindra ireo entana fampiasa andavanandro sy ny solika ka nampidina ny sandan’ny vola malagasy.
Politika ara-bola
Nampiakatra ny tahan-janabola fototra ihany koa ny BFM mba hifehezana ny vidim-piainana sy ny sandan’ny ariary. Vokany, ambony ny vola vahiny teo amin’ny tsenan’ny fifanakalozana ka nahafahan’ny Banky Foibe nahazo vola vahiny mitentina hatrany 217,5 tapitrisa dolara nandritra ny enim-bolana voalohan’ny taona. Mbola betsaka ihany koa ny Tahirim-bola vahiny ananan’i Madagasikara manoloana ny zava-misy maneran-tany. Nahatratra 3 676 miliara dolara izany ny faran’ny volana jona 2026 raha toa ka 3 067 miliara dolara tamin’ny taon-dasa. Taha ahafahana mandrakotra fanafarana entana mandritra ny fito volana raha toa ka teo amin’ny 5,9 volana teo aloha. Manamafy ny fahafahan’ny Banky Foiben’i Madagasikara mitazona ny fitoniana ara-bola ny fironan’ny tanjaky ny vola malagasy na eo aza ny fiovaovan’ny toe-draharaha ara-toekarena maneran-tany.
Henintsoa




