Nidina ifotony nanara-maso ireo toeram-pisotroana eny Ambohipo, boriboritany faharoa, ny polisim-pirenena, afakomaly. Anton’io hetsika io ny fampanarahan-dalàna sy fisorohana tsy fandriampahalemana.
Olona iray namoy ny ainy vokatry ny lozam-pifamoivoizana teo anelanelan’i Vatolatsaka sy Andranovory, Toliara, omaly. Nipitika tampoka ny karan-
dalana nitondra ireo mpandeha ka nitarika ny loza.
Mitohy hatrany ny fanadihadiana ataon’ny mpitandro filaminana momba ny raharaha nahafatesan’i Lucas kely, tany Faratsiho. Mijanona ho tsiambaratelon’ny fanadihadiana avokoa hatreto ny angom-baovao rehetra voarain’ny tomponandraikitra.
Mpivarotra rongony sady efa mpamerin-
keloka naiditra am-ponja rehefa voasambotry ny polisy tao Toamasina, afakomaly. Nahatrarana rongony efa voatsinjara tamin’ny fatorana maromaro teny aminy.




