« Zara Lalao 2026 » : Roa andro hampiainana ireo lalao malagasy

Fampitana, fanabeazana, fanampiana ary fanohanana ireo zaza malagasy. Izay no tanjona ankapoben’ny fikambana Sombiny Haiko, araka ny fanazavana nomen’izy ireo tetsy amin’ny Ivokolo Anala­kely, omaly. Ho fanatanterahana izany, maro ireo hetsika efa notontosaina sy mbola tetikasa homanin’ny fikambanana. Akaiky indrindra amin’ izany ny «Zara Lalao 2026», hatao ny 15 sy 26 aogositra izao, eny amin’ny Zaridainan’ Antaninarenina.
«Hampiainana indray ireo lalao malagasy ireo roa andro ireo. Fampianarana sy fampitiavana ho an’ireo ankizy tsy mbola mahay, fanomezana sehatra sy fanohizana ho an’ ireo efa mpilalao ihany koa. Mba fanembonana ny fahazazana koa ho an’ny lehibe», hoy ny nambaran’ny mpitondra tenin’ny fikambanana, omaly. Hovelomina indray ny katro, vitsilihy, tso-bato, pa­pango, sns, mandritra izany. Hisy fampirantiana mifandray amin’ireo karazana lalao ireo koa iandraiketan’ny Ofisim-pirenena misahana ny zavakanto sy ny kolontsaina na ny Ofnac mandritra izany.
«Sombiny ihany no mety entinay hanasoavana ireo ankizy ireo. Izay kely hainay no afaka omenay», hoy hatrany izy ireo, raha nanontaniana ny niavian’ny anaran’ny fikambanana.

Ny taona 2025 no nitsiry tao amin’ilay mpanakanto Manao Ralisimanitra ny hevitra sy faniriana hanentana ireo namany hanampy ny zaza malagasy. Miisa 26 izy ireo ankehitriny, misy any ivelany sy eto an-tanindrazana ka maro no mpanakanto malaza. Tanjona manaraka ny ham­pitomboana ny fahafaha-manampy ireo ankizy sahirana, amin’ny alalan’ ny fanamaroana ny hetsika hataon’ny fikambanana Sombiny Haiko.

Zo ny Aina

Partager sur: