Nahita tongotra zazakely, efa simba tanteraka teny amin’ny sakelin-tanànan’Ambohitsaratelo, kaominina Ampitatafika, omaly folakandro. Efa nohanin’ny alika izany. Mbola hita teny an-toerana ny akanjo sy ny lamban-jaza. Rehefa natao ny fisavana ny manodidina dia tsy nahita ny ambin’ny vatany intsony. Ireo tongotra roa sisa no tavela teo.
Nidina teny ifotony, taorian’ny antso nataon’ny mponina ny zandary avy ao amin’ny Poste fixe, Ampitatafika. Nisy ny fitsirihana teny ifotony. Nanotrona azy ireo ny lefitry ny filoham-pokontany sy ny dokotera. Nisy ny fizahana nataon’ity farany, voamarina fa zaza rano ilay nariana. Teraka tsy tonga volana ihany koa izy. Izay no mety nanariana azy teny an-toerana.
Taorian’ny fanamarinana rehetra, natolotra ny kaominina sy ny fokontany ny razana. Ireto farany no miandraikitra ny fandevanana. Sambany nahitana tranga hafahafa tahaka izao teny amin’ny fokontany, raha ny vaovao avy amin’ny tomponandraikitra. Efa misy ny fanadihadina mahakasika izay mety ho nahavanon-doza tahaka izao. Voararan’ny lalana rahateo ny fanariana zaza na mbola zazarano aza. Voasokajy ho vono olona izany raha voamarina, araka ny fehezan-dalàna famaizana.
r.r




