Nidina ifotony tany Dabolava, distrikan’i Miandrivazo ny Biraom-paritry ny Harena an-kibon’ny tany Menabe, ny 5 sy 6 aogositra teo. Nirosoana ny fampidirana anaty ara-dalàna ireo mpisehatra volamena, ka nananganana birao tokana. Hita miaraka ao ny sampandraharaha ny antontanisa avy any Morondava, ny Ivon-ketra Miandrivazo ary ny Foiben’ny Volamena eto Madagasikara (COM) Antananarivo. Hanafaingana ny fikarakarana ny antonta-taratasy hidiran’ny mpisehatra volamena anaty ara-dalàna ity birao tokana ity. Anisan’ny voakasik’izany ny mpitrandraka, ny mpanangona, sns. Tao an-toerana avokoa ireo sampandraharaha rehetra.
Tanjon’ny fanjakana Fanavaozana ny hisitrahan’ny tsirairay ny tombontsoa, indrindra ny vahoaka eny ifotony. Fiaraha-mientana anatin’ny fanarahan-dalàna ho fototry ny fampandrosoana, amin’ny alalan’ny hetra sy ny tamberim-bidy eny ifotony.
Nanome voninahitra ny fotoana ny lehiben’ny faritra Menabe, ny lehiben’ny zandarimaria Dabolava ary ny lefitra voalohany ny ben’ny Tanàna Dabolava.
Njaka A.




