Anisan’ny firenena manitona ny tanora malagasy, ny oniversite any Inde amin’izao fotoana izao. Maro ny lalam-piofanana azo hisafidianana. Manana ny lanjany amin’ny sehatra iraisam-pirenena rahateo ny diplaoma.
Tsy mirona amin’ny oniversite tandrefana samy irery intsony ny mpianatra malagasy mandranto fianarana ambony. Lalana iray mahasarika ny tanora ny any Inde. Maro rahateo ny oniversite manokatra varavarana ho an’ny mpianatra avy aty Madagasikara. Anisan’ny misitraka vatsim-pianarana sy tolotra manokana rahateo izy ireo.
Oniversite iray efa mandray Malagasy miisa 60 ny Chandigarh University. Mahatratra 36000 ny mpianatra ao aminy. 22000 dia avy amin’ ny firenena vahiny, miisa 56 maneran-tany. Ny lalam-piofanana fitsaboana, ny sakafo, ny informatika, ny fandraharahana sy fitantanana, ary ny “physiothérapie” no tena arahan’izy ireo. Nivoitra izany araka ny fanazavan’ny solontenan’ny oniversite eto Madagasikara, Ramanantsalama Tokiharimanitra, ny faran’ny herinandro teo, tao Ankadivato.
Oniversite tsy miankina any Inde ny Chandigarh University ary mitazona ny laharana voalohany amin’ny oniversite tsy miankina. Miisa 120 ny lalam-piofanana azon’ny mpianatra isafidianana. Manaraka ny fenitra iraisam-pirenena ny fampianarana sy ny laboratoara ampiasaina, ary ny mpampianatra. Ankatoavin’ny sehatra iraisam-pirenena ny diplaoma omeny. Misy fiaraha-miasa amin’ny oniversite maromaro koa toy ny any Frantsa, Etazonia, Afrika, Eoropa ary Azia izay mpiray ombon’antoka ka ahazoan’ny mpianatra manohy fianarana. Efa misy Malagasy nisitraka izany.
Manome fihenam-bidy
Tonga eto Madagasikara ny tomponandraikitry ny oniversite hizara ny tsara ho fantatra ho an’ireo tanora liana hanohy fianarana any an-toerana. Misy fihenam-bidy hatramin’ny 60% ny saram-pianarana fa miankina amin’ny lalam-piofanana sy ny diplaoma alain’ilay mpianatra, hoy ny fanazavana ihany. Mbola mandray fisoratana anarana ho an’ny taom-pianarana 2026-2027 ny oniverite. Ambony ny fari-pahaizan’ireo mpianatra malagasy any an-toerana, hoy ny solontenan’ny oniversite, Siddharth Lamba.
Vonjy




