Natao sonia, ny 7 aogositra teo, teto Antananarivo, ny fifanarahana an-kitsim-po (Memenrendum d’entente-MoU), teo amin’ny minisitry ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro, Andrianavalona Herizo, sy ny filohan’ny Antenimiera ara-toekarena ny GCC Canada-Dubai, Vincent Bernier. Votoatin’ny fifanarahana ny hanavaozana sy hanatsarana ny fotodrafitrasan’ny fitaterana eto amintsika. Laharam-pahamehana ao anatin’ny fohy ezaka, ny hanaovana fitsirihina teknika sy fahafahana mampihatra ny asa avy hatrany, mitentina 300 tapitrisa euros. Ao anatin’izany ny fanavoazana ny seranan-tsambo sy ny seranam-piaramanidina. Hatsaraina manaraka ny toetrandro ny fomba fitantanana sy ny fandriampahalemana. Hatsaraina ny tolotra amin’ny fitaterana an-dranomamy.
Mitentina 750 tapitrisa euros kosa ny tanjona faharoa, vitaina antenantenan’ezaka. Entina hanitarana ny seranan-tsambo stratejika sy hanatsarana ny sehatra samihafa eny amin’ny seranam-piaramanidina. Havaozina ny fotodrafitrasa amin’ny lalamby, indrindra ireo sehatra iankinan’ny toekarena.
2 miliara euros ho an’ny lalamby nasionaly
Ary dingana fahatelo lavitr’ezaka, ny tetikasa goavana hananganana zotra an-dalamby nasionaly eto Madagasikara, izay mitentina 2 miliara euros. Hatsaraina ny fivezivezena ara-teknolojia ao anaty seranan-tsambo. Ampanarahana araka ny toetr’andro rojom-pitaterana eto Madagasikara. Hatsaraina ihany koa ny fotodrafitrasa amin’ny fitaterana an-dranomamy.
Njaka A.




