Nidina tany an-toerana, nitarika ny asa fanombohana ny fanarenana ny tohodrano Dabara sy ny fotodrafitrasa famatsiandrano sy ny lakandrano, ny minisitry ny Fambolena, Ramindo Gaëtan, ny herinandro lasa teo. Hampitombo ny voka-bary sy ny fambolena ny fahavitan’ity asa ity.
Hanomboka ny asa fanarenana any amin’ny lemaka Dabara, faritra Menabe. Anisan’ny hifantohana ny fanesorana ireo fasika miangona eo ambonin’ny tohodranon’i Dabara. Kendrena ny hampitomboana sy ny hanafainganana ny fikorianan’ny rano sady hiantohana ny fitsinjarana azy, araka ny tokony ho izy any amin’ireo velaran-tany fambolena. Mitotaly 18 000 ha ny veleran-tany ho voatondraky ny lemaka Dabara aorian’ny fanarenana atao. Rehefa mihatsara ny famatsian-drano dia misokatra bebe kokoa ny fahafahan’ny tantsaha mamokatra, sady hampitombo ny vokatra ary hanatsara ny fidiram-bolan’izy ireo. Tanjona rahateo, ny hanatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo, araka ny fanamby napetraky ny fitondrana Fanavaozana.
Tsiahivina fa azo hatao tsara ny mamboly vary indroa na intelo isan-taona any amin’ny lemaka Dabara, rehefa mirindra tsara ny famatsian-drano sy ny lakandrano. Eo koa ireo fambolena samihafa, indrindra ny katsaka, ny voanjo, ny voamaina, izay tena mamokatra tokoa any an-toerana. Mafana rahateo ny toetr’andro any amin’ny faritra Menabe, izay manatsara ny fitomboan’ny vary.
Misy ny fanadihadiana momba ny fiantraikan’ny asa amin’ny tontolo iainana (EIE), entina hanajana sy hitandroana ny tontolo manodidina, izay mifanaraka amin’ny fepetra takina amin’ny fiarovana ny tontolo iainana. Manohana ny tetikasa ny Banky Afrikana ho an’ny fampandrosoana (Bad).
Njaka A.




