Notanana am-ponja, afakomaly, ireo efa-dahy tompon’antoka tamin’ny fanafihana teny Ambohidrazaka, Alasora. Niray tendro tamin’ny fanatanterahana io asa ratsy io, ny 26 jolay lasa teo ireo olona ireo.
Mpitondra moto marika G5 maty tsy tra-drano teny amin’ny lalam-pirenena voalohany PK10+100, ny 8 aogositra lasa teo. Nandeha mafy ilay lehilahy nitondra moto ka nahatonga ny loza.
Novonjen’ny polisim-pirenena ny vehivavy iray tsy manan-kialofana azon’ny tsy fahasalamana, tetsy Mahamasina, afakomaly. Nentina nihazo toeram-pitsaboana io ramatoa io.
Voasambotry ny polisy ny ramatoa nampihatra herisetra tamin’ny zaza 10 taona, tao Manandriana, faritra Matsiatra ambony, afakomaly. Niasa tao amin’ilay renim-pianakaviana io zaza io, raha ny loharanom-baovao.




