Hanafatra gazoala mivantana avy any ivelany ny Jirama. Hamatsiana ireo toby mamokatra herinaratra mandeha amin’ny solika no hampiasaina azy. Misy ny fepetra manokana noraisina hanatanterahana ny fifanarahana famatsiana sy fividianana solika. Mandritra ny enim-bolana ny faharetan’ny izany.
Natolotry ny minisiteran’ny Fambolena (MiASA) ny Fofifa ny masomboly vary nohatsaraina, nentin’ny filohan’ny Fanavaozana, tany Ejypta farany teo. Tsy natao hanoloana ireo karazam-bary efa misy eto amintsika ity masomboly ity, fa kosa entina hanatsarana ny vokatra sy hanamafisana ny fahombiazan’ny famokarana. Hatokan-toerana, hatao fitsirihana ara-pahasalamana sy andrana siantifika ity karazam-bary avy any Eijypta ity, mialoha ny hanapariahana azy.
Miara-miasa i Madagasikara sy Indonezia amin’ ny lafiny fitaterana an-dranomasina. Natao sonia tany Jakarta Indonezia, ny 27 jolay teo, ny fifanarahana mahakasika ny tetikasa Integrate Madagasikara. Kendrena ny hanamorana ny fifamoivoizana an-dranomasina eo amin’ny roa tonta. Manohana azy ny governemanta indoneziana. Niofana herinandro tany Jakarta ny teknisiana malagasy.




