Nankatoavin’ny Antenimierandoholona amerikana, ny sabotsy teo, ny volavolan-dalàna H.R 6500, hanitarana ny “African Growth and Opportunity Act” (Agoa) hatramin’ny faran’ny taona 2028.
Miisa 90 ireo nanohana raha 6 kosa ireny nanohatra nandritra ny latsa-bato natao. Tombony ho an’i Madagasikara sy ireo firenena Afrika aty atsimon’i Sahara ny Agoa saingy mbola mandalo fankatoavan’ny Antenimierampirenena ny fankatoavana vao tanteraka izany.
Tombony lehibe ho an’i Madagasikara ny rafitra noho izy manome fahafahana manondrana entana any Etazonia tsy handoavana haba. Mifanandrify indrindra amin’ny ho avin’ny Agoa ihany koa ny latsa-bato nataon’ny Antenimieramdoholona amerikana izay miantraika amin’ny toekarem-pirenena. Marihina fa nifarana ny 30 septambra 2025 ny fisitrahantsika ny Agoa saingy nitarina hatramin’ny 31 desambra 2026, taorian’ny adisisika nataon’ny delegasionina malagasy. Ankilany, voalaza ao anatin’ny H.R 6500 ny hanitarana ny tetikasa, tsy miova kosa ny fepetra, indrindra ny “Third Country Fabric”. Fepetra ahafahan’ireo orinasa aty amin’ny firenena an-dalam-pandrosoana manondrana entana ao amin’ny tsenan’i Etazonia.
Toekarena
Mipaka mivantana amin’ny toekarem-pirenena ny fanitarana ny Agoa noho izy mamorona asa mivantana maherin’ny 100 000 sy mampidi-bola vahiny hatramin’ny 700 tapitrisa dolara isan-taona ho an’i Madagasikara. Ankoatra izay, hanampy ireo orinasa handrafitra ny tetikasany, hanomana sahady ny fampiasam-bola ary hiantoka ny famokarany sy ny fifaninanana eo amin’ny tsena iraisam-pirenena ny fanitarana ny Agoa ho roa taona. Hiantoka ny fiveloman’ny fianakaviana maro sy ny fifaninanana eo amin’ny tsena iraisam-pirenena ity sehatra ity.
Henintsoa




