Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy omaly ny hetsika fanaovam-baksiny faobe iaidiana amin’ny lefakozatra ho an’ny faritra Androy. Haharitra 4 andro ny hetsika amin’ity andiany voalohany ity. Faritra 5 any atsimon’i Madagasikara no hisitraka izany dia Androy, Anosy, Atsimo Andrefana, Atsimo Atsinanana ary Ihorombe.
Ireo zaza vao teraka ka hatramin’ny 2 taona no kendrena amin’ity hetsika ity mba ho vita vaksiny avokoa.
Tanjona ny hanao vaksiny zaza manodidina ny 1 173 000 amin’ireo faritra 5 iasana ireo. Manodidina ny 216 222 kosa ny zaza kendrena ao amin’ny Faritra Androy.
Hizara roa ny fomba fanatanterahana ny fanaovam-baksiny. Hisy ireo ekipa hanao fanentanana sy vaksiny isan-tokantrano. Hisy ihany koa ny fanaovam-baksiny eny amin’ireo tobim-pahasalamana fototra mahazatra.
Atete indroa ao am-bava ny vaksiny miaro amin’ny lefakozatra fa tsy tsindrona velively akory.
Manentana ny ray aman-dreny ny fanjakana hiara-hiasa amin’ireo mpanao vaksiny, mba hiarovana ny zaza amin’ny lefakozatra (Polio) sy handray anjara amin’ny ezaka iombonana ho amin’ny fanafoanana ity aretina ity.
Tatiana A




