Nivoaka ny tetiandro hanatanterahana ny fitsarana miaramila ho an’ireo tonga taona rehetra ho an’ny distrikan’ Ambohidratrimo. Ireo tovolahy sy tovovavy teraka teo anelanelan’ny taona 1995 hatramin’ny taona 2007 (19 taona ka hatramin’ny 31 taona) no voakasin’izany. Ho an’ny fitsarana miaramila taona 2026 izao hotanterahina izao.
Hotanterahina ao amin’ny Tranompokonolona izany ny 31 aogositra sy ny 1 septambra ho an’ny kaominina Ambohidratrimo. Ao amin’ny Lapan’ny tanàna kosa no hanatanterahana ny fitsarana miaramila ho an’ny kaominina Ambohitrimanjaka ny 2 sy 3 septambra. Ao amin’ny Lycée Mahitsy no hanatanterahana izany ny 4 sy 5 septambra ho an’ny kaominina Mahitsy. Atao ao amin’ny Tranompokonolona Mandrosoa kosa ny anjaran’ny kaominina Ivato ny 7, 8 ary 9 septambra. Mamarana azy ny ao amin’ny kaominina Imerimandroso izay hatao ao amin’ny Lapan’ny tanàna ny 14 sy 15 septambra izao.
Tombony amin’ny fahavitan’ny fitsarana miaramila ny fahafahana mandray anjara amin’ny fifaninanana hidirana ho mpiasam-panjakana eto amin’ny firenena. Afaka mikarakara antontan-taratasy malalaka ihany koa raha handeha hianatra na hiasa any ivelany.
Mila mitondra karapanodrom-pirenena sy penina manga rehefa hiatrika ny fitsarana miaramila. Mila manao madio, fohy volo, ary tsy mikavina ny lehilahy.
Tatiana A




