Endrika ivelany. Manomboka mibirioka. Vao mainka fa ny fototra ? Ao anatin’ny vanim-potoanan’ny ririnina tahaka izao no hanatanterahina ny famadihan-drazana sy ny famorana. Ao ihany koa no ahitana ny fitokanana tsangambato (fasana). Nanana ny antony na ny fotom-pisiany tsirairay avy izy ireny. Manaja izany ny endrika ivelany.
Tsy izany ny zava-misy ankehitriny. Vitsy dia vitsy sisa, ohatra, ny vohitra na tanàna eto Imerina no mahatazona ny fady amin’ireny fomba ireny. Hita any amin’ny famadihan-drazana ny henan-kisoa. Heno ihany koa ny hoe «tsy fety raha tsy misy toaka». Izany hoe, ilay fototra mihitsy no tsy fantatra intsony ny fisiany, hany ka nanjary mitovy ny atao hoe « fety » sy ny « famadihana ». Tahaka izany ihany koa. Rehefa manongo zazalahy, ilaina ny fisian’ny ra. Ankehitriny, voizina mafy ny dokambarotra : « didimpoitra tsy mandeha ra ». Very ihany koa ilay fototra.
Mila hamafisina ny fahalalana ny fototra ho an’ny fomba amam-panao malagasy. Manjary miroaroa ny saina. Teraka ho azy ny filazana fa « finoanoam-poana », sns. Iray amin’ireo lesoka lehibe ny tsy mba nananan’ny Malagasy soratra hoenti-mirakitra ny momba azy. Saingy, tsy azo hadinoina ihany koa fa azo ampiasaina tsara ny tadidy vava sy ny lovantsofina.
HaRy Razafindrakoto




