Vita ny zoma 7 aogositra teo, ny fivoriana ara-teknika eo amin’ny Rafitra rezionaly misahana ny fandriampahalemana an-dranomasina (ARSM) sy ny Vaomieran’ny Fadintseranana (CD) aty amin’ny ranomasimbe Indiana (OI). Firenena 5 aty amin’ny OI (Madagasikara, Maorisy, Kaomoro, Seychelles, Frantsa amin’ny alalan’i La Réunion) no anjara, nokarakarain’ny Vaomieran’ny ranomasimbe Indiana (COI).
Nilaza ny talem-paritry ny Rafitra rezionaly misahana ny fandriampahalemana an-dranomasina (CRFIM), ny Capitaine de Vaisseau Ralaiarivony Harifidy, fa nahafahana nanamafy ny fifampizarana vaovao ny fivoriana. Napetraka ny lafiny pitsopitsony ara-teknika sy ny paikady, izay hotanterahina. Efa nisy ny fiaraha-miasa hatramin’izay, fa nidirana lalindalina kokoa ny hahafahan’ireo firenena tsirairay misitraka ny vaovao, indrindra izay mahakasika azy. Anisan’ny nifantohana ny trafika tsy ara-dalàna, toy ny trafika zava-mahadomelina, ohatra, izay iaraha-mahalala fa tsy maintsy fifanakalozana avy amin’ny firenena samihafa. Koa, ezahina ny mahazo antontam-baovao sy antontan-kevitra mikasika izany trafika izany, ifanakalozana amin’ny Vaomieran’ny Fadintseranana sy ny mpisehatra samihafa.
Misy ny lamina iombonana, atao anaty fohy, antenantenany ary lavitra ezaka, ahafahana mahazo vokatra tsara bebe kokoa. Ny mampiavaka ity fihaonana natao ity, dia ny fiaraha-miasa iombonana, izany hoe, iarahana ny fanadihadiana, raha samy nanao ny azy izahay sy ny Vaomieran’ ny Ladoany, tany aloha.
Njaka A.




