Manomboka izao dia voaara-maso ara-potoana ireo tranga fanimbana ala any anaty valan-javaboahary. Arifomba ny fitaovan’ny Sinergi-MNP amin’ny fitsirihana sy ny tatitra hifehezana haingana ny tranga.
Nisitraka fitaovana vaovao sy moderina manaraka ny fivoaran’ny teknolojia ny Madagascar National Parks (MNP). Nampahafantarina, omaly, teny Ambatobe ny Sinergi-MNP izay rafitra nasionaly hanatevina ny paikady fanaraha-maso ny tsindry mahazo ireo valan-javaboahary tantanin’izy ireo.
Fandripahana ala amin’ny alalan’ny doro tanety, fanapahana ala, fitrandrahana tsy ara-dalàna any anatin’ireo toerana voaaro. Voaara-maso ara-potoana avokoa izany amin’ny fampiasana ireo fitaovana avo lenta ireo.
Amin’ny alalan’ny sary azo avy amin’ny satelita no ahitana ny tranga misy. Eo koa ny fanairana avy amin’ireo mpiara-miasa eny an-tsehatra. Rehefa misy loza mitranga hitan’ny aty amin’ny foibe amin’ny alalan’ny satelita dia manaitra avy hatrany ireo ekipa any anatin’ny valan-javaboahary izy ireo hanafaingana ny fandraisana an-tanana hifehezana ny loza. Hizarana fitaovana hahafahana miserasera haingana “Zoleo” ihany koa ny ekipa any anaty ala.
Lasibatra ny any Atsimo Andrefana
Ao anatin’ny maintany isika izao ka ny afo no tena tsindry mahazo. Ireo valan-javaboahary any Atsimo Andrefana sy Andrefana no tena lasibatra. Miitatra hatraty Atsinanana izany aoriana kely rehefa manakaiky ny fotoam-pambolena.
Miatrika ny tranga “el Nino” isika amin’ity taona ity. Mihamafy ny hafanana ka hanaparitaka haingana ny afo izany fahamainana sy hafanana izany, hoy ny tale jeneralin’ny haitondra ara-tontolo iainana, ao amin’ny minisitera.
Ireo mpitantana faritra arovana rehetra dia tokony haka tahaka ny ataon’ny MNP satria tsy mora ny ady amin’ny afo. Manimba zavatra betsaka ny afo indrindra ny harena voajanahary sy ny valan-javaboahary. Hanampy betsaka ny ezaka ataon’ny minisitera amin’ny fitantanana ny afo izao fahazoan’ny MNP fitaovana izao.
Tatiana A




