VAOVAO TAMBATRA

Manatanteraka fakan-kevitra momba ny ho avin’ny vola taratasy sy ny vola madinika eto Mada­gasikara ny Banky Foibe. Hetsika tafiditra ao anatin’ny faha-100 taona nanontana sy namoahana voalohany ny vola taratasy malagasy. Sehatra iray nihainoana sy hifampizarana ireo ahiahy sy olana sedrain’ny olom-pirenena eo amin’ny fampiasana andavanandro ny vola taratasy sy ny vola madinika ny fihaonambe.

Tafakatra 197,4% ny taham-panondranan’i Madagasikara jirofo nandritra ny tapan’ny voalohan’ny taona 2026. Niakatra ny tinady avy any ivelany indrindra eo amin’ny sehatry ny sakafo, kosmetika ary fanafody. Nitombo ny tinady eo amin’ny tsena Aziatika, izay nampakatra ny fanafarana raha nihena kosa ny vokatra ho an’Indonezia.

Hampifanaraka ny famatsiana amin’ny filan’ny tsena, hiaro ny vokatra eto an-toerana sy ny tombontsoan’ny tantsaha. Ireo no tanjona napetraka nandritra ny dinika niarahan’ireo tompon’andraikitra sy mpisehatra voakasika amin’ny famatsiana ny vary eto amin’ny firenena, omaly. Ilaina ny fiaraha-miasa sy fifampizarana antontanisa iombonana ary azo antoka eo amin’ireo sampan-draharaha voakasika. Kendrena ny hanamorana ny fandraisana fanapahan-kevitra mifototra sy mifanaraka amin’ny zava-misy.

Partager sur: