Andavanandro : Hiakatra ny vidim-piainana afaka volana vitsy

Ahina hiakatra ny vidim-piainana eto Madagasikara manoloana ny toe-draharaha iraisam-pirenena sy ny ady ao Moyen-Orient. Mivoitra amin’ny vinavina nataon’ny Banky Foiben’i Madagasikara (BFM) izany.

Mety hahatratra 10,1% ny tahan’ny fidangan’ ny vidim-piainana eto Madagasikara amin’ny volana desambra 2026 raha 9,3% ny vinavina napetraka tany am-piandohana, araka ny fanadihadiana nataon’ny Banky Foibe. Nivoitra tao anatin’ny fanadihadiana ara-toekarena nataony fa anisan’ny antony hampiakatra ny vidim-piai­nana ny toe-draharaha ara-jeopolitika sy ny tsindry mahazo ny rojom-pamokarana eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. “Na Tony aza ny toe-draharaha taorian’ny fifanaovan-tsonia nataon’Etazonia sy Iran ny 17 jona 2026, dia mbola ahina hiantraika amin’ ny fiakaran’ny vidim-piainana ny fiverenan’ny disadisa ao Moyen-Orient”, hoy ny BFM.

Tsena

Vinavinain’ny BFM hampiakatra ny vidim-piainana amin’ny fiakaran’ny vidim-bary sy ny vidin-tsolika, nandritra ny telo volana faharoa ny taona 2026. Heverin’ny BFM fa mety hiova ihany koa ny vidim-bary sy ny vidin-tsolika mandritra ny telo volana fahatelo sy fahefatry ny taona. Mety hiakatra 7% ny vidim-bary, hiakatra ho 9,7% kosa ny vidin-tsolika raha hahatratra hatrany amin’ny 10,1% ny fidangan’ny vidim-piainana amin’ny volana desambra.
Ankoatra izay, heverin’ny BFM fa mbola hitombo ny fanondran’i Madagasikara ny jirofo ho an’ny enim-bolana faharoan’ny taona. Maha­tonga izany ny fitomboan’ny tinady any amin’ny firenena Aziatika sy ny fanalalahana ny sehatra nanomboka ny faran’ ny taona 2025 ary ny fanombohan’ny taom-piotazana. Tao anatin’ny enim-bolana voalohan’ny taona, tafakatra +197,4% ny vokatra naondrantsika ka nampidi-bola 201,2 tapitrisa dolara raha toa 67,6 tapitrisa dolara izany tamin’ny enim-bolana voalohany tamin’ny taon-dasa. Heverin’ny BFM ho niantraika tamin’ny sehatry ny fanondranan’ny harena an-kibon’ny tany ihany koa ny rivo-doza Gezani, satria nidina tany amin’ ny -27,7% ny taham-panondranan’i Madagasikara ny Nikela ary -29,8% izany ho an’ny Graphite. Heverin’ny BFM ihany koa fa hiakatra ny taham-panondranan’i Mada­gasikara ny Kobalta izay nampidi-bola 45,9 tapitrisa dolara sy ny lohamenaka, nampidi-bola 53,5 tapitrisa dolara.

Henintsoa

Partager sur: