« Festival 321 »: Herinandro ho an’ny dihy ankehitriny

Iray amin’ireo zavakanto sy kolontsaina manavanana ny Malagasy ny dihy. Tsy ny fahiny ihany no nahatazanana izay fa ny ankehitriny ihany koa. Hanamafy izany ny hetsika « Festival 321 ».

“Dihy sy tantara”. Io ny lohahevitra nosafidian’ny Compagnie Rary, hitondrana ny “Festival 321”, andiany faha-7, amin’ity. Hatao mandritra ny 7 andro izany, izay nisokatra omaly teny Antaninarenina. Hatao amina toerana mpandray hetsika ara-javakanto maro eto Antananarivo: Tahala Rari­hasina, Tiers-Lieu Maha­ta­zana,  Tranompokonolona Ana­lakely, Tranomboky Moni­sipaly ary ny Cité des cultures Antaninarenina. Fampise­hoa­na miisa 34 no homanin’ireo mpamoron-dihy, izay tanora avokoa. Hisy koa ny fizarana traikefa ho an’ireo mpandihy sy mpamoron-dihy, atrikasa sy velakevitra isan-karazany ary ny fampirantiana zavakanto “Dihy Soratra Soradihy”.
Tsy nitsahatra nivoatra ny “Festival 321”. Hisokatra amina mpanakanto vahiny amin’ity ny hetsika. Anisany ry Farid Abdoul El Fatah avy any Comores, Marie Christabelle, Natalia Bayroo ary Jerry Kursley avy any Maurice. Ho avy koa ilay teratany malagasy monina any Suède, Gwen Rakotovao.
Mahakasika ny lohahevitra, nanazava i Ariry Andria­moratsiresy fa “mirona kokoa mankany amin’ny toe-javatra niainany ny forona hataon’ireo tanora aty aoriana. Ny famoronan-dihy anefa afaka mitrandraka ny lasa sy mitodika ihany koa amin’ny lasa”. Tsia­hivina fa niainga tamin’ireo karazana soradihy nataona mpandihy telo, roa na tokana no nakana ny anaran’ny hetsika “Festival 321”. Ireo efa voky traikefa no mitarika sy ma­nampy ireo talenta vao misondrotra, ary izay fifamenoana izay no herin’ny “Festival 321”.

Zo ny Aina

Partager sur: