INDRAY MIJERY

Mampahatsiahy ny didy navoakan’ny prefekto­ran’ny tanàna ny kaominina Antananarivo Renivohitra ny amin’ny tokony hikatonan’ireo toeram-pisotroana rehetra amin’ny 9 ora alina. Voakasik’izany avokoa na ireo anaty trano na ireo eny amoron-dalana. Ho fitandroana ny fandriampahalemana sy ho fitonian’ny manodidina izany.

Manatanteraka iray volana ho an’ny fandoavan-ketra ny CUA. Manentana ireo mponina manerana ny Boriborintany 6 ny tomponandraikitra handoa hetra. Hanomboka anio hatramn’ny 12 septambra izao izany fanentanana izany. Misy moa ny mitaraina fa mifanindry amin’ny fampidirana mpianatra ny hetsika ka havesatra ho azy ireo.

Nitsidika ny toerana hanorenana ny “Campus Universitaire” ao Ankadinanahary, Ambositra, ny minisitra Pr Ravonimanantsoa Ndaohialy Manda-Vy. Hapetraka amin’ny herinandro ho avy izao ny vato fototra. Tanjona ny hampiakarana ny lenta sy ny kalitaon’ny fampianarana ambaratonga ambony amin’ny alalan’ny fananganana fotodrafitrasa mendrika sy maoderina.

Partager sur: