Nivarina tanaty hantsana: Hita faty ivelan’ny kamiao ilay mpamily

Nivoaka ny arabe, lasa tany amin’ny 80 metatra miala ny lalana ny kamiao iray teny amin’ny RN2, 12 km tsy hidirana an’i Moramanga, afakomaly. «Ahina ho tratrin’ny torimasofotsy ihany io mpamily io raha ny fahitanay ny zava-misy teny an-kianja», hoy ny fanazavan’ny kaomandin’ny zandarimaria misahana ny fanadihadiana miasa ao an-toerana, omaly. Niala avy aty Antananarivo, nikasa hitodi-doha ho any Toamasina ity kamiao nentin’ilay mpamily ity. Tra-doza tampoka izy teny amin’ny lalam-pirenena faharoa teo Antsirinala, 12km miala ny tanànan’i Mora­manga. «Lasa tany amin’ny 80 metatra miala ny arabe ny fiara nentiny, ny alin’ny alatsinainy 10 aogositra tamin’ny 11ora sy sasany teo ho eo», araka ny loharanom-baovao avy amin’ny mpanao famotorana. Tafavoaka ny fiara anefa ny mpamily saingy tsy fantatra mazava ny antony. «Mety nipitika tao anatin’ny fiara tamin’ny fotoan’ny loza izy», hoy ny loharanom-baovao. Vatana mangatsiaka hany sisa hitan’ ny mpitandro filaminana sy ny fokonolona, omaly maraina. Nandritra ny fanangonam-baovao rehetra nataon’ny zandarimaria, tsy nahitana olon-kafa ankoatra ny mpamily teny amin’ny manodidina ny kamiao. «Tsy nanana mpamily mpanampy na mpiara-miasa taminy ity mpamily tra-doza ity nandritra io diany io», raha ny fanazavana. Azon’ny mpanao fanadihadiana an-telefaonina ny tompon’ny fiara tra-doza. Nidina nijery ifotony ny zava-misy any Antsirinala izy. Nokarohina kosa ny fianakavian’ny mpamily izay namoy ny ainy.

Tsiferana R.

Partager sur: