Mifandinika momba ny hanavaozana ny lalàna mifehy ny Jono sy ny Fiompiana anaty rano ny minisiteran’ny Jono sy ny Toekarena Manga. Tanjona ny hampifanaraka ny lalàna amin’ny zava-misy sy ny filan’ny sehatra ankehitriny.
Anisan’ny tanjona lehibe ny hanatsarana ny fitantanana ny harena anaty rano, hanamafisana ny fahitsiana sy ny mangarahara amin’ny fitantanana ny harena anaty rano.
Ho fanampin’izany, kendrena ny hametrahana tontolo ara-dalàna mazava sy manohana ny fampandrosoana maharitra eo amin’ny sehatry ny jono sy ny fiompiana anaty rano. Natao izany mba hiantohana ny tombontsoan’ireo mpisehatra.
Tanjona ny hananana lalàna maoderina, mazava ary mifanaraka amin’ny vina apetraky ny minisitera. Hamafisina ihany koa ny fiarovana maharitra ny harena anaty rano. Heverina ho dingana iray hanatsarana ny fitantanana ny sehatry ny jono sy ny fiompiana anaty rano, ka hampifandanja ny fampiasana ny harena anaty rano sy ny fiarovana azy ho an’ny taranaka ho avy ny fanavaozana ny lalàna mifehy ny jono.
Henintsoa




