Telo lahy mpangalatra fitaovana famokarana herinaratra amin’ny herin’ny masoandro, voasambotra teny Anosibe, afakomaly. Tratra teny amin’izy ireo ny entana avy nangalariny. Nataon’ny polisy fanadihadiana ireto farany.
Fiara miisa dimy nifandona teny amin’ny RN4, teo amin’ny PK125+980, fokontany Kiva, kaominina Ankazobe, afakomaly. Olona efatra naratra ka voatery nanaraka fitsaboana. Tsy nisy aina nafoy raha toa ka simba avokoa ireo fiara tra-doza.
Notanana vonjimaika am-ponja, afakomaly, ny mpamily ilay fiara Starex nahafaty olona teny amin’ny RN1, teny Fenoarivo. Maty nodomin’ny fiara i Finoana, ankizilahy hiatrika BEPC amin’io taom-pianarana ho avy io. Hiakatra fitsarana ny 2 septambra ho avy izao ilay mpamily, araka ny loharanom-baovao.




