Ambony ny tahan’ny fivezivezen’ny olona sy ny fiara manerana ny Nosy rehefa volana aogositra. Satria, fotoam-pialantsasatra sy fanaovana hetsika toy ny zaikabe, filasiana, hetsika ara-kolontsaina sy ara-panatanjahantena maro raha ny tombana nataon’ny antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety (ATT).
Manodidina ny 340 ireo fiara mpitatitra mitondra mpandeha maherin’ny 6 460 isa miainga isan’andro amin’ireo tobim-piantsonana eto Antananarivo. Ankoatra izany, ireo fiara mianga amin’ireo toby tsy miankina, ny fiara manokana, fiara hofaina ary ireo taxibrosy manana fahazoan-dalana manokana.
Anisan’ny lalam-pirenena be mpandeha indrindra ny RN7 satria mahatratra 51,9% ireo fiara miainga eny amin’ny tobim-piatsonana no mihazo izany lalana izany. Aorian’ izany ny RN4, RN2 ary ny RN6. Manodidina ny 17 hatramin’ny 20 ny mpandeha entin’ny fiara mpitatitra iray ary feno foana izany isan’andro.
Manoloana izany, manamafy ny fanaraha-maso eo am-piaingana ny ATT. Amafisina ny adidy sy ny andraikitr’ireo kaoperativa hampanara-dalàna ny ara-teknikan’ny fiara rehetra.
Tatiana A




