Ambohitrabiby-Avaradrano: Vehivavy hita faty tanaty rano teo Ambatoboka

Renim-pianakaviana iray maty an-drano tao amin’ny fokontany Ambatoboka, kaominina Ambohitrabiby, distrikan’ Avaradrano, omaly. Niala ny trano fonenany vao maraina ity ramatoa ity, araka ny fanazavana voarain’ny zandary tamin’ny fianakaviany. Nampandrenesin’ny fianakavian’ilay tra-doza ny mpitandro filaminana. Hita natsingevan’ny rano tao ambanin’ny tetezana ao Ambatoboka ilay renim-pianakaviana. Nidina ifotony nanao fizahana ny vatana mangatsiaka avy hatrany ny mpitsabo avy eo anivon’ny CSBII. Tsy nahitana ratra ny vatan’ilay lasibatra. Tsy nisy soritra vonoan’olona, hoy ny mpitsabo. Maty an-drano tsotr’izy saingy tsy voamarina ny antony nahalatsaka azy tao anatin’ny rano. Nato­lotra ny fianakaviany ny nofo mangatsiaka an’ilay ramatoa taorian’ny fizahana. Mandray an-tanana ny fanadihadiana ny mpitandro filaminana.

Tsiferana R.

Partager sur: