Fiaraha-miasa: Liana amin’ny fizahantany i Arabia Saodita

Nanolotra ny dika mitovy amin’ny fanendrena azy ho ma­soivohon’ny fanjakan’i Arabie Saoudite, na tsy monina eto Madagasikara azy, i Ahmad Mohamad Alwohaib. Nandray izany tetsy amin’ny minisiteran’ ny Raharaham-bahiny, Anosy, ny minisitra mpisolo toerana, Rakotonandrasana Hanitra Velonjara Tiaray.
Fihaonana nahafahan’i Ma­dagasikara nanamafy indray ny fifandraisan’ny firenena roa tonta. Mifototra amin’ny vina iraisana, mahakasika ny fampandrosoana sy ny fiaraha-miasa izany.
Anisan’ny hifantohan’ny fiaraha-miombona antoka eo amin’ny sehatra marolafy. Voare­saka tamin’ny diniky ny roa tonta ary nahaliana ny ambasadaoron’i Arabia Saodita ny eo amin’ny lafiny fizahanta­ny. Ta­fiditra ao anatin’izany koa ny momba ny fotodrafitrasa sy fifanakalozana ara-barotra.
Nambaran’ny minisitra mpisolo toerana, ny minisitry ny Ati­tany sy ny fitsinjaram-pahefana fa hampiroborobo be kokoa ny fiaraha-miasan’ny firenena roa tonta izao fanendrena masoivoho vaovao izao. «Hanokatra sehatra maro entina hampandrosoana an’i Ma­dagasikara izao fifandraisana amin’i Arabie Saoudite izao», hoy izy.
Tsiahivina fa tsy eto an-toerana, lasa namita iraka any ivelany ny minisitry ny Rahara­ham-bahiny, Alice N’Diaye. Miatrika ny fivorian’ny filankevitry ny minisitra eo anivon’ireo fi­renena mpikambana ao amin’ny Sadc. Tanterahina any Durban any Afrika Atsimo, nanomboka, omaly izany.

Synèse R.

Partager sur: